Ambohimangakely : Revirevy niafara tamin’ny rà nandriaka
Efatra mianadahy mpinamana izy ireo, azo lazaina fa tsy nifankafoy. Saingy tsy maintsy nosampanana ny lalan’izy ireo taorian’ny revirevy kalokalo farany niarahana : ny iray lasa any amin’ny varo-tsy mifody, ireo hafa nalefa etsy “Ambany Atsinanana”. Ny zava-nisy : tokony ho roatokombolana teo ho eo izay, hita faty niampatra tanaty rà mandriaka teo am-povoan’arabe, tamin’iny By pass iny, teo amin’ny faritra Behitsy Ambohimangakely ny tovolahy iray. Mazava ho azy fa nihevitra...