Namontana : Zaza telo taona niharan’ny fanolanana
Tsikaritry ny ray amandrenin’ilay zaza fa niova ny toe-pahasalaman’ny zanak’izy ireo. Fantatra teo fa nisy nanolana izy. Mbola zaza kely io niharan’ny herisetra ara-nofo io. Ny herinandro lasa teo, nisy indray ny trangana herisetra ara-nofo nihatra tamin’ny zaza tsy manan-tsiny teny amin’iny faritra Namontana iny. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia naharay fitoriana avy tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza niharan’izany habibiana tsy roa aman-tany izany izy ireo ary...