Talata Volonondry : Tratra ireo mpangalatra saosisy
Malaza amin’ny resaka saosisy sy koba raha i Talata Volonondry. Ary mety izay indrindra no nampanita-kevitra ireo mpanao hala-botry teny an-toerana hangalatra izany laoka matsiro izany. Araka ny fampitam-baovan’ny zandary dia nirongotra tao ho ao izay ny resaka hala-botry tao an-tampon-tananan’i Talata Volonondry tao. Tsy mifidy alaina intsony ireo olon-dratsy fa izay sendra azy ireo dia majifa avokoa, eny fa na hatramin’ny saosisy sy ny vary ary ny vilany fandrahoana azy aza....