Fikambanan’ny Silamo malagasy : Dimampolo taona nijoroana teto amintsika
Hankalazaina amin’ity taona 2024 ity ny fahadimampolo taona nijoroan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM) teto Madagasikara. Anoloan’izany dia nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny 67 ha ny lohandohan’ireo sampana sy sokajim-pikambanana sy ireo solontenan’ny Mosquée misy eto Anatananarivo ny sabotsy lasa teo. Nandritra izany no nanamafisan’ny mpitondra fitenena fa tsy mivaky ny mpino silamo eto Madagasikara ary manaiky fa ny FSM no reny mpiahy ny Finoana silamo sy ny...