Mpanera fiara maty notetitetehana : Vehivavy no atidoha, nadoboka am-ponja
Miisa valo izy ireo olona voalaza fa voarohirohy tamin’ilay vono olona feno habibiana nitranga tetsy amin’ny lalan’Imerinkasinina, Ambohimalaza, tokony ho roatokom-bolana lasa izay. Ny dimy tamin’ireo no efa voasambotra ary mbola karohina fatratra kosa ny telo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Ny zoma lasa teo moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary ny telo nadoboka am-ponja avy eny Tsiafahy, raha nalefa eny Antanimora kosa ny ambiny. Marihana fa misy...