RN4, tetezan’Ambodimanga Beanana : Fikasàna hanakan-dalana nandamoka
Ny marainan’ny sabotsy faha-29 Marsa taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny iray ora katroka no nahazo antso an-tariby, makasika ny fikasana hanafika fiara taksiborosy, nataon’ireo malaso ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, ka nidina nalaky tany an-toerana, niaraka tamin’ny kaomandy kaompanian’i Maevatanàna sy ny lehiben’ny borigady ny Zandary aty an-toerana, ary ny Zandary maromaro tsy holazaina isa. Noho ny tonga teny izy ireo dia nahita...