Ambodiafontsy Ampitatafika : Mpitondra môtô, voahitsaky ny fiarabe
« Vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ny mpitondra môtô ary vokatry ny tsy fahampian’ny fitandremana teo amin’ilay fiara niantsona » hoy ny fampahafantarana teo amin’ny pejy ofisialin’ny zandary Antananarivo. Ny andron’ny alahady teo tokoa dia nitrangana loza mahatsiravina indray tamin’ilay lala-mahitsin’i Fenoarivo iny. Lehilahy iray mpitondra môtô no maty tsy tra-drano rehefa nifandona tamin’ny fiara teo alohany, nipitika ary nifatratra teny amin’ny...