Miaramila sandoka : Nidoboka eny Tsiafahy
Natolotra ny fampanoana ilay sivily izay misandoka ho komandà eo anivon’ny Tafika. Nidoboka eny Tsiafahy mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha tsiahivina dia voasambotry ny zandary tetsy Ambohimalaza ilay rangahy rehefa nokarohina hatry ny ela. Hampiasainy amin’ny fisolokiana ilay fisandohana ho manam-boninahitra. Olona maro no nitory azy ary niafina hatrany izy saingy tratra ihany nony farany rehefa nisy ny fampitam-baovao avy amin’olon-tsotra. Miaramila tena izy ny tenany tany...