Madirovalo : Lavon’ny zandary i Rija, dahalo raindahiny
Efa ela nifampitadiavana tamin’ireo mpitandro filaminana ity jiolahy raindahiny amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana ity. Araka ny fantatra dia efa maro ireo olona tany amin’iny distrikan’Ambatoboeny sy ny manodidina iny no nampitondrain’ity farany sy ireo namany faisana. Tamin’ity indray mitoraka ity, vita tanteraka ny aminy sy ny fanaovany asa ratsy. Ny faran’ny volana lasa teo no nifanehatra tamin’ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra...