Manandona Antsirabe : Pretra terantany vahiny iray namoy ny ainy
Namono olona indray ny lalam-pirenena fahafito. Ny alarobia hariva, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tany ho any, nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny PK191+50, teo amin’ny toerana antsoina hoe Fihana, fokontany Ambohimirary, kaominina Manandona, distrikan’Antsirabe II. Fiara tsy mataho-dalana iray, izay nentina pretra terantany vahiany avy ao Fianarantsoa no nifandona tamin’ny fiarabe iray. Vokany, samy nahitàna fahapotehana avokoa na ilay fiarabe...