Mahitsy : Nandravarava ny jiolahy
Ny alin’ny zoma lasa teo, tokantrano telo be izao no indray nasesisin’ny jiolahy notafihana sy norobaina tao Antanetilava, Ampanotokana, any amin’iny faritra Mahitsy iny. Na dia tsy misy aza ny aina nafoy sy ny naratra tao anatin’izay fanafihana mitam-piadiana izay dia azo lazaina fa nahazo izay nilaina ireo olon-dratsy. Vola aman’hetsiny maromaro, niampy fitaovana sarobidy isan-karazany no lasan’izy ireo. Raha ny fanazavana azo dia saika mpivarotra ao an-toerana avokoa ireto...