Ikongo : Mpiasan’ny « projet » matin’ny fitsaram-bahoaka
Nolazaina fa mpangala-jaza izy ireo ary nirohotra ny fokonolona namely sy nifandimby namono ireto olona ireto, eny fa na dia niezaka nanao ny fandaminana aza ireo zandary. Vokany, maty tsy tra-drano ilay lehilahy mpiasa amin’ny tetikasa iray any an-toerana. Mpampianatra iray niaraka taminy kosa no naratra ary mbola ao anaty fitsaboana hatramin’izao. Ny sabotsy teo no nitrangan’ity fitsaram-bahoaka ity tao amin’ny fokontany Ambatofaritana, ao amin’ny kaominina Manampatrana,...