Mpanao gazety miisa 10 hisantatra ny fampiofanana any Egypta
Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena Malagasy sy ny firenena Egyptiana mikasika ny serasera sy ny kolontsaina. Nitsidika ara-pomba fanajana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, ny masoivohon’i Ejipta, Rabab Said Abdou Abdelhadi, androany 20 janoary 2025. Eo amin’ny lafiny serasera dia hisy ny fanofanana mpanao gazety Malagasy any Ejipta izay hotanterahana tsy ho ela. Mpanao gazety amin’ny haino vaky jery miisa 10 no hisantarana izany ary...