Mahazomà Maevatanàna : Miverina indray ny fandoroana trano tafo-bozaka hataon’olona tsy fantatra
Rehefa somary nangina ny mahakasika ny trano-bozaka sy toeram-pivarotana nisy nandoro, efa tapa-bolana maro lasa izay dia miverina mamely ny mponina any an-tampon-tanàna ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna indray izany an-kehitriny. Raha nahazo vahana ity tranga fandoroana trano tafo-bozaka ity, tamin’izany andro izany dia nanao ny fikarohana niarahana ny Zandary sy ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana, saingy nisy adala...