Mahajanga : Tovolahy maty voatsindrona antsy teny amin’ny Bord
Nisahotaka ny teny amin’ny manodidina rehefa naheno sy nahita ny zava-nitranga teny amin’ny bord, toeram-pitsangantsanganana manana ny lazany any Mahajanga ny Asabotsy 27 Janoary, izay somary efa harivariva nitogilanan’ny masoandro. Raha ny vaovao voaranay avy any an-toerana hatrany dia nisy disadisa tsy niteraka fifamaliana tamin’izy samy mpinamana, ka niafara tamin’ny tsatoka antsy, ka nahavoa ity zazalahy 19 taona voa erotrerony. Nifarimbonana ny olona manodidina hitondra azy...