Maevatanàna : Dahalo roa naratra voatifitry ny Zandary
Ny Asabotsy teo tamin’ny folo ora maraina no naharay fampahafantarana ny Zandary fa nisy trangana halatr’omby tao amin’ny tanàna antsoina hoe: Bonga-Amboasary, fokontan’Antsohy, kaominina ambanivohitra Madirovalo, any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, ka omby 35 no very nangalariny jiolahy tamin’izany. Androtr’io ihany tokony tamin’ny dimy ora hariva, raikitra ny fifandonana teo amin’ireo dahalo niisa sivy lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, nitondra ny omby halatra...