Maevatanàna : Lehilahy iray no maty voafaokan’ny fiara 4×4
Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (Rn4). Ny tolakandron’ny Alatsinainy faha 08 Aprily 2024 teo, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andrangonala, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no niseho izany. Lehilahy iray antsoina hoe : Chelyn, izay monina any amin’ny toerana voalaza etsy ambony no nandeha kodiaran-droa na môtô, avy aty Maevatanàna, izay avy namonjy tsena sy nanao hiraka...