Ambohimalaza : Ankizivavy tsy hita telo andro, notazomina lehilahy
Teti-dratsy efa vita tetika sa fo nasesiky ny fitiavana ? Tovolahy no voasambotra ary nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny fitazomana tovovavy tao an-tranony. Ity farany izay efa nifampitadiavan’ny fianakaviana ary voalaza fa efa tsy hita telo andro. Efa tany amin’ny faramparan’ny volana martsa teo no niseho ity tranga hafa kely ity tetsy Ambohimalaza. Very ary tsy hita tany nanjavonana ity tovovavy iray. Efa nanao fampilazana tetsy sy teroa ireo fianakaviana ary tonga hatrany...