Ivato : Nifamono ho faty ny mpinamana fa mamo
Olona enin-dahy no niaraka nisotrosotro teo an-tokon-tanin’ny iray tamin’ireo ihany, tetsy Ankadindravola. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tamin’ireo rehefa niakatra ny toaka. Notifirina totohondry teo amin’ny lohany ny iray ary nianjera tamin’ny tany. Teo dia tsy nahatsiaro tena satria nifameno ny hamamoana sy ny fahavoazana izay mety ho nahazo teboka mahafaty. Samy nahita izany avokoa ny efa-dahy ambiny ary nisava ny toaka rehefa tsy nihetsika intsony ny namana iray....