Imanombo Ambovombe : Niampatrampatra ny faty
Rehefa avy nataon’ireo dahalo vono moka ireo mpanara-dia miisa dimy, dia naparitak’izy ireo eraky ny vohitra ny vatana mangatsiakan’ireto farany. Mbola nandrahoana ireo fokonolona sahy haka ireo razana ireo moa ireto olon-dratsy, hany ka voatery ireo mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitrim-panjakana tany an-toerana, niaraka tamin’ireo fokonolona no nanangona izany. Marihana fa olona dimy no maty nandritra ity fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona ity. Raha ny fantatra...