Ikopa : Vehivavy maty niboridana natsingevan’ny rano
Misy dian-dratra ny lohany. Miboridana tanteraka ny vatany. Izany no hitan’ny olona vao maraina teo amin’ny ranon’Ikopa mifanandrify an’Ankadievo. Raha ny fihevitry ny olona dia nentin’ny rano izy ary mety ho tany Ampamantanana no novonoina ka natsipy anaty rano. Olona mipetraka eo Ankazolava izy, toerana izay tsy mifanalavitra loatra ny nahitàna ny razana. Nalevina ny alahady teo ary namela kamboty. Noraisin’ny polisy misahana raharaha momba ny heloka bevava ny fanadihadiana....