Fokontany Analakininina Hopitaly be : Trano enina sy tra-boina 30 vokatry ny hain-trano
Vokatry ny hain-trano tao amin’ny fokontany Analakinina Hopitaly be Toamasina dia trano enina kila hotohoto ary olona 30 mahery ny tra-boina tsy misy ho raisina, noho ny fahamaizan’ireo fananany sy ny momba momba azy rehetra. Raha ny fanazavana dia naheno zavatra nirefotra ireo mponina manodidina taorian’ny fahatapan-jiro in-2 mihatoana teto Toamasina; taorian’izay dia nirehitra ny trano ary niezaka ny namono ny afo izay efa niredareda ny fokonolona. Tao anatin’izay anefa dia niezaka...