Fiara atao varoboba ao anaty Facebook : Voasambotry ny pôlisy ireo mpisoloky
Ela nitoratorahana ry zalahy ireto. Ela ny ela ! Voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka sy fisolokiana ireo mpivarotra fiara morabe (kanefa tsy misy akory), nalaza eraky ny FB, nandritry ny taona maro. Roa lahy izy ireo, tra-tehaka tetsy Sabotsy Namehana, ny sabotsy lasa teo. Asa raha mbola misy namany fa efa ao anaty ny famotorana sy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra. Izy roa lahy ireto rahateo, efa notanana natao andrimaso ho amin’ny...