Fiadanana Antsirabe : Zaza nofatorana teo an-tokontany, niafara tamin’ny fandrobana trano
Nisehoana savorovoro tao amin’ny fokontany Fiadanana Antsirabe ny harivan’ny Alatsinainy lasa teo. Rava tao anatin’ny ora vitsy monja ny fanan’olona iray mitentina amina miliara. Ankaotra ny fanana rehetra tao an-trano dia tapitra norabain’ny olona avokoa ny biby fiompy rehefa toy ny kisoa am-polony maro, tsy vitan’izay fa hatramin’ny varavaran-kazo dia tapitra norobain’ny fokonolona avokoa. Zaza iray no voalaza fa nanimba ny voninkazon’ilay ramatoa tao an-tanana; tezitra...