Fenoarivo : Mpanao menamahazo voasambotra
Lehilahy iray, mpanao irony kilalao karatra antsoina hoe « menamahazo » irony no nosamborin’ny zandary, omaly tetsy Ambohimasina, Alakamisy Fenoarivo. Fisolokiana sy filokàna an-dalambe no vesatra hiampangàna ity lehilahy ity, raha ny nambaran’ny mpanao famotorana. Nisy fotoana tokoa, nanjaka tanteraka teto an-drenivohitra ity kilalao iray, loka miendrika fisolokiana, ity ary nisy mihitsy aza hetsika manokana nataon’ireo mpitandro filaminana nentina nisambotra ireo olona mpanao...