Digue Ambohitrimanjaka : Moto nofaohin’ny 4×4, olona efatra naratra
Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalana Digue Ambohitrimanjaka, ny alarobia hariva teo. Fiara 4×4 iray no nandona moto scooter nitondra olona roa tamin’izany. Voalaza fa moto teo alohan’ny taxi be iray no voafokan’ilay 4*4 ka lasa tanaty rano. Izany hoe nahazo ilay lalana mahitsy ilay fiara tsy mataho-dalana ka nisongona Ilay fiara mpitatitra. Iny avy nisongona iny Ilay 4×4 no nandona Ilay moto teo aloha. Nipitika mihitsy ilay moto sy ireo olona teo amboniny,...