Fampanofàna fiara : Lasa feno mpisoloky milaza ho « agence »
Ao ny milaza ho birao misahana amin’ny fizahan-tany (agence de voyage) ka tafiditra ao anatin’ny tolotra ny fitarerana. Ireny indray avy eo no manofa fiara amin’ny olona. Ao koa ireo misandoka ho « agence » tsotra izao fotsiny kanefa mpanera rehefa tena zohina. Mazava ho azy fa maka vola mialoha ary koa ny saran’ny solika hitaterana. Matetika azon’izy ireo 100% amin’ny mpanjifa, izay tsy voatery ho ny mpizaha tany vahiny ihany fa ao koa ny Malagasy handeha hiala sasatra, na koa...