Fenoarivo : Andiana mpanendaka ravan’ny zandary
Dimy lahy izy ireo, manodidina ny 17 ka hatramin’ny 22 taona, avy etsy Anosibe, ary tonga manao ny asa ratsiny eny Fenoarivo. Ny harivan’ny alarobia teo ry zalahy ireto no voapaingotry ny zandary , teo amin’ny sampanan’i Malaza, fokontany Ampefiloha, kaominina Fenoarivo, raha iny teo am-panaovana ny asa ratsiny iny. Raha ny fampitam-baovao azo, dia ankevitry ny efa tokontany filalaovan’ireto andiana mpanendaka ireto mihitsy iny faritra iny, ary mitily ireo olona mandeha irery na...