Fandriana : Mpiasam-panjakana nobataina manam-pahefana
Nandeha ara-dalàna ny fivoriana izay niompana tamin’ny fanomanana ny hetsika mandritry ny andro iraisam-pirenena ho fankalazàna ny zon’ny vehivavy (8 martsa). Tonga ny fikambanan’ny zokiolona, ny fikambanan’ny vehivavy ary koa ny solo tenan’ny fanjakana. Teo indrindra no niseho ny zavatra hafahafa. Tonga avy any ny fiara tsy mataho-dàlana izay tao anatiny ny senatera iray sy ny zandary mpiambina manokana azy. Teo imason’ny olon-drehetra no nobataina toa ireny olon-dratsy ireny...