Famonoana an’i Emma Jeannine : Miteraka resa-be ny didim-pitsaràna
Voaheloka higadra mandra-pahafaty i Nono, ilay tompon’antoka mivantana tamin’ny famonoana an’i Emma Jeannine. Naharitra adim-pamantaranandro fito be izao ny raharaham-pitsaràna ady heloka tsotra tao Toaamasina ny 1 jolay teo. Niaiky ny famonoana ho faty tamin’ny fomba feno habibiana izy. Fa niaiky koa fa nisy naniraka azy hanao izany ary dia tsy niala tamin’ny anadahin’ilay ramatoa izy. Rehefa nivoaka anefa ny didy dia izy irery no tratra farany fa ireo niaraka voarohirohy taminy...