Bongolava : Mamono isan’andro ny dahalo
Tsy misy andro iray izay tsy andrenesana fahafatesan’olona izay novonoin’ny dahalo ao amin’ny faritra Bongolava. Manjaka tokana tanteraka ireo olon-dratsy tato ho ato ary mihorohoro ny mponina ankehitriny. Herinandro maizina ho an’ny faritra ity herinandro ity. Vao nanomboka izany ny alatsinainy teo dia efa nisy olona notapahin’ny dahalo ny lohany, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Bongonilaimanja. Mbola tsy lefy akory izany herisetra namoizana ain’olona izany dia efa nandrenesana...