Antsahatanteraka Tsiroanomandidy : Mpivarotra mpitety tsena, maty voatifitry ny dahalo
Fiara « 504 bachée » iray no notafihan’ny dahalo ny alakamisy lasa teo, tao Antsahatanteraka, any amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny. Vokany, maty voatifitra ny mpamily, mpivarotra fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe « Ralanto ». Nivadika vokatr’izay kosa ny fiara nentina ary naharatrana olona maromaro tao anatiny. Voalazan’ny angom-baovao fa lasan’ireo olon-dratsy ny vola rehetra tao amin’io fiara io, niaraka tamin’ny entana sasantsany. Araka ny...