Asa fanompoam-pirenena : Maimaimpoana ny fidirana ho « zazavao »
Nankatoavina tao amin’ny filan-kevitry ny minisitra izay natao tamin’ny 20 martsa lasa teo ny fandraisana ireo « zazavao » hanao ny asa fanompoam-pirenena miaramila eo anivon’ny foloalindahy amin’ity taona ity. Efa misokatra araka izany ny fandraisana ny fangatahana sy ny antontan-tarasasin’ireo izay mikasa ny hanao izany adidy masina izany. Zatovolahy 2000 no handrafitra ny kilasy 2024 ka ireo izay teraka teo anelanelan’ny taona 2000 ka hatramin’ny taona 2005 no...