Bekipoly – Maevatanàna : Jiolahy mitam-basy maty voatifitra
Maty voatifitry ny Zandary nandritra fifandonana. Efa maina ny tany no ritra ny ranon’Ikopa sy Betsiboka, dia malalaka ny lalan’ireo malaso manao fanafihana sy mitondra omby halatra avy nangalarina, any ka tonga amin’ilay fiteny manao hoe: zatra ny lalan-dririna, ka fahavaratra no manao hitsin-dalana, na dia efa mahafaty aza mbola hiroboahana ihany. Raha hojerena sy hotantaraina tokoa ny zava-nitranga dia ny alin’ny alatsinainy faha 26 aogositra taona 2024 teo, tokony tamin’ny sivy...