Ambohimangakely : Mpamaky trano sy fiara ikoizana, voasambotry ny zandary
Vao 19 taona monja ny lehilahy kanefa efa tena za-draharaha tanteraka amin’ny « asany » ! Handeha hanao « mission » mihitsy moa izy tamin’izay, no nifanena tamin’ireo mpanao fisafoana ka dia very maina teo ny ezaka. Efa vonona tany aminy ny fitaovana rehetra, fentina miasa toy ny « clé » isan-karazany sy fitaovana hafa. Eny fa na hatramin’ny tapa-mofo misy … poizina sy paraky, ho an’ny alika aza, dia efa tany amin’ity tovolahy ity. Ny herinandro teo no voasambotry...