Antsirabe : « Aide chauffeur » maty voapotsitry ny « camion »
Loza mahatsiravina no nitranga teo Ambano, Antsirabe II, ny tolakandron’ny talata lasa teo. Tovolahy iray no naratra mafy ary niafara tamin’ny famoizany aina, rehefa voapotsitra teo anelanelan’ny fiarabe anankiroa. Mpanampin’ny mpamily izy io ary teo am-panaovana ny asa, nanampy ny mpamily hanao haka « parking » izy no izao niharan-doza izao. Raha ny zava-niseho dia mety tsy henon’ingahy mpamily ny « aoka », « aoka » taoriana tao fa nanohy ny fihemorany ihany ity farany....