Anosizato Atsinanana : Jiolahy voasambotra teo am-pikasana hanafika
Roa izy ireo no nanao ny « opération », saingy tafaporitsaka ny iray ary voasambotry ny pôlisy avy eo anivon’ny sampan-draharahan’ny pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika kosa ny iray. Teny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny, ny maraim-ben’ny alahady teo, vao naharay fampandrenesana mahakasika fisian’olona mikasa handroba tokantrano iray teny an-toerana ny teo anivon’ny pôlisy, avy hatrany dia naniraka ireo pôlisin’ny SAG ho eny. Vokany, mbola teo...