Andranomadio Toamasina : Nahitana tovovavy 15 taona nananton-tena
An-dranomaso ireo ray aman-drenin’ity tovovavy vao 15 taona hitan’ny olona nihantona tamin’ny tady tao Andranomadio P/elle 11/43 Toamasina ity, ny marainan’ny sabotsy teo, raha nahita an-janany nihantona tamin’ny tady. Tsy fantatra mazava ny anton’ilay famonoan-tena, fa araka ny tenin’ireo olona manodidina sy ny ray aman-drenin’ilay tovovavy maty, dia manana olona ara-pitiavana ilay tovovavy, sy manana olana ara-piaraha-monina koa vokatr’izany, ka tsy mahita hevitra intsony...