Dans un contexte de tensions autour du drame d’Ambohimalaza, ce texte éclaire les notions juridiques de « secret de l’enquête » et « secret de l’instruction » à Madagascar. Il en rappelle la portée, les obligations légales des acteurs judiciaires et les limites pour la presse, soulignant l’équilibre entre droit à l’information et respect des procédures.
Vao mifoha maraina mijery ity facebook ity dia tena zendana tokoa amin’ireto karazan’olona miseho tena tapi-pahaizana mikasika ny raharaha mampalahelo, mampahonena niseho teny Ambohimalaza teny. Anisan’ny miara-ory amin’ny fianakavian’ireo tanora namoy ny ainy izaho sy ny ankohonako. Kanefa ny fiainana mitohy ary ny tena mpanao gazety. Izany rahateo no asan’ny mpanao gazety matihanina fa tsy hampiady olona na asain’ny mpanao politika mampiasa voambolana ampisavorika ity...