Ambohimandroso : Namono vady aman-janaka : gadra mandra-pahafaty
Sazy an-terivozona mandra-pahafaty. Izay no sazy nomen’ny fitsaràna ilay raim-pianakaviana izay namono nahafaty ny vady aman-janany. Nalaza tamin’ny gazety ity raharaha niseho tamin’ny septambra 2023 tao Ambohimandroso ity. Ramatoa hita faty, nahitana tsindronaa antsy telo ny tendany, ary ny zanany maty nokendaina tamin’ny lamba. Izay no hita vao maraina tao an-tokantranon’izy ireo. Niainga teo ny fanadihadiana ary niafara tamin’ny fisamborana ny vadiny izany. Raha ny...