Ambohimalaza : Olona ankatoky ny fahafatesana avotry ny zandary
Raha tara kely fotsiny ny fahatongavan’ny zandary dia efa maty ilay lehilahy 22 taona. Omaly maraina, nisy olona niantso ny zandary mahakasika ny fisian’ny fatiolona mirakotra lamba eo antsisin-dàlana, teo amin’ny fokontany Ambatofotsy-Ambohimalaza. Niditra an-tsehatra avy hatrany ary rehefa nojerena akaiky dia tsy olona maty akory fa kosa olona velona saingy tsy mahatsiaro tena. Noraisina avy hatrany ny fepetra tamin’ny fitondràna azy teny amin’ny toeram-pitsaboana, ny Csb2 teo...