Ambohijanaka : Raikitra indray ny fifampitifirana
Niainga tamin’ny fampitan’olona vaovao mahakasika ny fikononkononana hanafika ny raharaha. Tonga teny am-pototsofon’ny zandary ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy ny feo fa misy efa-dahy hafahafa fihetsika ary toa miomana ny handroba. Natao tokoa ny fanaraha-maso sy ny velam-pandrika. « Nandalo ny toerana niandrasan’ny zandary azy ireo jiolahy ka vantany vao nahita izany dia vaky tady nirifatra. Tsy namelan’ny zandary fa nokarohina ihany ka teo Marirano, fokontany...