Alasora : Tokantrano nahatratrarana rongony 62 gony
Nahatratra 11 isa ireo gony lehibe ary 51 isa ireo gony kely. Izany dia samy feno rongony maina hatrany amin’ny tendakeliny avokoa, izay milanja eo amin’ny 865 kilao eo ny totaliny, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisim-pirenena. Ny sabotsy lasa teo tokoa, taorian’ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, dia lehilahy iray no voatery nosamborin’ireo mpitandro filaminana rehefa nahatratrarana ireo rongony, efa aman-taoniny latsaka...