Ambarijeby-Tsaratanàna :Olona telo nilatsaham-potaka, maty tsy tra-drano ny iray
Hatairana ny an’ireo mponina manodidna rehefa nahita sy naheno ny zava-nitranga, tamin’ny alalan’ny fipoahana varatra nirefotra tao amin’ny fokontan’Ambarijeby, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararova, disitrikan’i Tsaratanàna, aty amin’ny faritra Betsiboka ny Zoma faha 11 Aprily taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny efatra ora hariva tany ho any. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany dia olona roa avy namonjy tsena tao Tsaratanàna no nivily lalana...