Barea: nahazo isa telo
Nandresy nanoloana an’i Tchad ny Barea an’i Madagasikara tany Maroc. Nandrombaka ny isa telo tamin’ny alalan’ny fandresena telo noho tsy misy manoloana ny « Les Sao » ny malagasy. Tafiditra ao anatin’ny andro faharoa amin’ny fifanintsananan’ny lalao eran-tany 2026 ity lalao ity. Nahafaty baolina roa i Njiva, tolotra avy any amin’ny Metanire sy El’Hadari. I Loïc Lapoussin kosa no nanamarika ny baolina fahatelo, izay mbola tolotra avy any amin’ny El’Hadari...