Mahavelona Foulpointe : Haharitra herinandro ny fanamarihana ny fetim-pirenena
Ny 20 jona 2024 lasa teo no efa nanomboka nanamarika ny fankalazana ny nahazoana ny fahaleovan-tena ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Lalao ara panatanjahan-tena ho an’ny tanora, toy ny baolina kitra, basket-ball, ary tsipy kanetibe izay kaominina no tompomarika amin’ny fikarakarana. Omby lehibe iray no amboara homena ny laharana voalohany amin’ny lalao baolina kitra raha toa ka fanamiana sy baolina kitra kosa no homena ny laharana faharoa. Ny andron’ny 26 jona no hatao ny...