Tanindrazana hoe ?
Fotoana izao hamerenan-desona ny hoe «Tanindrazana». Andrandraina fa tsy dradraina fahatany, tsy tsianjery antsointsoim-poana, fa tokony ho latsa-paka anaty tokoa. Tanindrazana omen-kasina, fitiavan-Tanindrazana. Tanindrazana ampitondrain-kenatra, famadihan-Tanindrazana. Inona no atao hoe «Tanindrazana» ? Tsy ahitana famaritana azy amin’ny «dictionnaire», na ny an’i Richardson (1885) na ny azy mirahalahy Abinal sy Malzac (1888). Hoy kosa ny Rakibolana nosoratan’i Régis...