Zaza hita faty teny Ambohimalaza : Vehivavy roa tompon’antoka any am-ponja, olona roa hafa karohina
Vehivavy miisa roa no voasambotra ho isan’ny tompon’antoka tamin’ny hala-jaza, fanolanana ary famonoana ity zazavavy kely iray 6 taona ny 19 jolay teo. Hita faty ny 21 jolay 2025 teny Ambohitremo, Kaominina Ambohimalaza. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ary voatazona vonjimaika eny amin’ny Fonja Antanimora izy roa vavy. Olona miisa roa kosa no mbola karohina amin’izao fotoana izao. Lehilahy iray antsoina hoe Raôly sy ny sakaizany antsoina hoe Sylvia voarohirohy ho nandray...