Zaikaben’ny FIVAPOVA : Hotantrahina any Toamasina ny andiany faha-4
Ireo tomponandraikitry ny FIVAPOVA tany Anosy. Toy ny fanaony isaky ny telo taona dia fantatra izao fa i Toamasina no handray ny zaikabe nasionalin’ny Fikamabanan’ny Vadin’ny Polisy sy ny Polisy Vavy (FIVAPOVA) izay hotanterahina ny 30 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra izao. Teny aina entina miatrika an’ity Zaikabe 2025 ity ny hoe « Viavy miray hina rô, iray vina e ! ». Hetsika maro no efa nataon’ny FIVAPOVA hatramin’izay mba ho fitsinjovana ny maha olona, fampitomboana...