Tsy milamina i Toamasina : Misy isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana
“Efa ihoaran’ny jiolahy ve ny mpitandro filaminana eto Toamasina, no saika isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana eto amin’ity kapitaly ekonomika ity?” Izay no fanontaniana eo am-bavan’ny vahoaka eto Toamasina renivohitra amin’izao. Vao omaly indray izao dia olona avy naka vola tamin’ny banky no voatafika tao Valpinson P/elle 11/76, ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 12 tapitrisa ariary. Araka ny fanazavana anefa dia lavitra ny biraon’ny FIP ao Valpinson ity...